<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>F. Vogel</author>
<hymn_number>192</hymn_number>
<title>Andriananahary, aba Ray FFPM192</title>
<lyrics>[V1]
 Andriananahary, Aba, Ray,
 Izay ianteheranay,
 Mba raiso re ny vavakay ;
 Esory sy vonoy ny helokay,
 Vonjeo re, izahay !

[V2]
 Ry Jeso Zanak'Andriamanitra,
 Mpitarika ho an-danitra
 Mpanolo-tsaina marina,
 Mpamonjy tia ka nolavina,
 Vonjeo re, izahay !

[V3]
 Ry Mpampionona
 mandrakizay,
 Ampiomano izahay
 Handray ny famindramponao,
 Ndrao very amin'otanay
 izahay,
 Vonjeo re, izahay !</lyrics>
</song>